Nampitovy tadin-dokanga ho an’ny tombontsoa iraisana. Nanangana fikambanana ireo ben’ny Tanàna rehetra voafidy ao amin’ny distrika Manjakandriana, omaly.
Nofidin’izy ireo ho filohan’izany fikambanana izany ny ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Nandihizana Carion, Rakotonirina Zo Ny Aina. “Tanjona amin’ny fananganana fikambanana toy izao ny fampisitrahana tombontsoa iombonana ho an’ny kaominina tsirairay. Anisan’izany ny fanohanana sy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana na koa ireo avy amin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka”, hoy ity filohan’ny fikamban’ny ben’ ny Tanàna eo anivon’ny distrika Manjakandriana ity.
Nanamafy izany ireo ben’ny Tanàna namany fa anisan’izany koa ny fanomezana tantsoroka ho an’ireo mpitantana eny ifotony ireo. “Hifampizara traikefa sy hifanakalo fahaiza-manao izahay rehetra samy ben’ny Tanàna”, hoy izy ireo.
Nankasitraka ireo ben’ny Tanàna namany nametraka fitokisana taminy ny filoha mitarika ity fikambanana ity. Nambarany fa anisan’ny vina maharitra iarahan’izy rehetra ny hampitoviana tantana ny fampandrosoana isaky ny kaominina.
Tsiahivina fa efa fanao sy fomba fiasa nataon’ireo samy ben’ny Tanàna ny fampivondronan-kery tahaka izao ary tsy ijerena loko politika na firehana. Itoviana kosa ny fampandrosoana miaraka ny kaominina tantanina.
Synèse R.