Avy namita sazy tany am-ponja, nikasa hody hamonjy ny fianakaviany ity lehilahy hita faty tetsy Anosizato Atsinanana ity.
Lehilahy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo, hita faty tetsy Anosizato Antsinanana I, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora. Olona avy nigadra ary nikasa handeha hody hamonjy ny fianakaviany no tena anton-diany teny an-toerana, tamin’io fotoana io, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy iray niasa teny amin’ny manodidina. Avy any Ambatolampy ity lehilahy hita faty ity fa saingy tsy nanam-bola nandehanana nody, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Efa narary efa fotoana ela izy io, ary tena reraka izy tamin’ny fotoana nahatongavany teo amin’io toerana io”, hoy ireo mponina teny amin’ny manodidina izay nanontaniana. “Tamin’ny 11 ora atoandro izy io no tonga teny amin’io toerana io ary nitady toerana nipetrahana fa reraka”, hoy hatrany ireo mponina.
Nanary aina
Tsy nahatsiaro tena intsony izy ary efa vatana mangatsiaka notangoronan’ny lalitra sisa no hitan’ny manodidina sy ny mpandeha teny an-toerana, ora vitsy taty aoriana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP5 Mahamasina. Tonga naka ny razana teny an-toerana kosa ny avy amin’ ny BMH tamin’ny 3 ora sy sasany. Efa eny anivon’ny Tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana, amin’izao fotoana izao. Marihina fa mbola tsy fantatra mazava ny tena antony nahafaty ity rangahy ity.
Mino