Androndra-Ampamantanana: Jiolahy maty voatifitra, roa azo sambo-belona

Ravan’ny polisim-pirenena ny tambajotran-jiolahy ani­san’ireo nikasa handroba tranom-barotra eny Androndra-Ampamantanana, ny alin’ny talata 21 janoary teo. Nihao­dihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Voasam­botr’izy ireo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy tratra io. Nitoroka ny namany izay mody nifangaro tamin’ny fokonolona tao an-toerana anefa izy. Anisan’ireo naniraka ny olon-dratsy io lehilahy voatondro io. Nitsoaka nandositra ny namany. Raikitra avy ha­trany ny fanarahan-dia ireo jiolahy nitsoaka rehefa noteren’ ny mpitandro filaminana hitoroka ny toerana misy ireo namany ireo jiolahy roa. Vaky nitifitra tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ilay naman’ ireo jiolahy ireo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Nifampitifitra ny roa tonta. Vokany, jiolahy iray lavon’ny bala. Latsaka teny amin’ny iray ny basy niaraka tamin’ny bala miisa roa. Hatolotra ny fampanoavana ireo roa lahy azo sambo-belona. Tsiahi­vina, dimy lahy ireo jiolahy lavon’ny polisy ho an’ny teto an-dReni­vohitra sy tao Toama­sina nandritra ny roa andro. Mitohy io hazalambo io ary tanjon’izy ireo amin’izany ny hamongorana ireo mpanao ratsy izay tsy mampandry fahalemana ny tanàna.

Tsiferana R.

Partager sur: