Sehatry ny raiamandreny: “Vonona izahay ny hitarika… “

Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Sehatry ny raiamandreny (Sera), ny 19 janoary teo, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. Nambaran’izy ireo fa mila fisitranana sy fanasitranana ny firenena. “Efa voapetraka ary hohaza­vaina tsy ho ela ny fenitra sy ny paikady ary ny haitao ara-kajy mirindra ho amin’izany. Vonona izahay ny hitarika ny hizorana amin’izany tanjon’ny fisitranana sy ny fanasitranana ny fire­nena izany”, hoy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo ny fanamelohana ny valin’ny fanisam-bato nivoaka tao amin’ny fafana eo anivon’ ny Ceni. “Rava ny fifampitokisana eo amin’ny tomponandraiki-panjakana sy ny vahoaka, tompon’ny hasina sy ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy ireo amin’ny ampahan’ny fanamba-rana.
Tsiahivina fa anisan’ny nanasonia izany, Ranjeva Ray­mond, Ramampy Zenaide, Ramakavelo Desiré, Rabe­ma­nan­jara Charles, Razanamahasoa Christine, Andrianirina Laza, Rabetafika Ranjeva Yvette…

Synèse R.

Partager sur: