Voafaokan’ny kamiao ; Kaporaly namoy ny ainy

Tra-doza ka maty tsy tra-drano ny kaporaly iray teny amin’ ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 402, teo amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, kaominina Andra­nomamy, ny talata 21 janoary teo. Nandeha mafy ny kamiao izay nifenana tampoka tamin’ io mpitondra moto io. Nifam­pikasoka tampoka ny roa tonta ka nipitika teny ambony moto ilay mpitandro filami­nana. Ity farany izay niainga avy aty Antananarivo nikasa hihazo an’i Mahajanga. Ne­zahin’ireo nanatri-maso no­vonjena izy saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Ankilimazina, kaompania Masokoamena,
io nindaosin’ny fahafatesana io, izay vao 28 taona monja. Olona iray hafa naratra ka nentina notsaboina eo ani­von’ny CSBI Ambondroma­my. Notanana atao famotorana ny mpamilin’ilay kamiao. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara nentiny.

Tsiferana R.

Partager sur: