Notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny afakomaly, ireo vehivavy efatra takalonaina nalain’izy ireo tao amin’ny tanànan’Ambohibary Vohilena, ny 12 desambra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy ireo vehivavy, izay 16 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 40 taona ny zokiny. Nitaky lelavola 20 tapitrisa Ar isanisany ho sandan’ny famotsorana ireo lasibatra ny dahalo. Niezaka nitady io lelavola voalaza io ny fianakavian’ireo lasibatra saingy tsy nanana fahefana nandoavana ny vola. Niady varotra, noho izany, ireto farany mba ho 12 tapitrisa Ar ny vola aloan’izy ireo ho solom-panafahan’ireo olona lasa. Naharitra 1 volana sy tapany teo ho eo ny fotoana nifandrirariran’ny roa tonta. Niroso tamin’ny fanamperana ny ain’ireo efa-bavy mianaka ireo tsy mataho-tody taorian’ny tsy fahazoany ny vola notakiny.
8 tapirisa Ar ahazoana ny faty
Tsy nijanona tamin’ny habibiana nataony, mbola nitaky lelavola 2 tapitrisa Ar tsirairay ho solon’ny famerenana ny vatana mangatsikan’ireo maty voatifitra eny anivon’ny fianakaviany ireo mpaka an-keriny. Niantso ny fitondram-panjakana hijery ifotony ny fahavoazan’izy ireo ny fianakavian’ny lasibatra manoloana izao tranga tsy fandriampahalemana any an-toerana izao. Manameloka tanteraka ity tranga ity koa, ny solombavambahoaka Rajerison Antoine. Tsiahivina, nanjakan’ny asa fakana an-keriny ny distrikan’Anjozorobe hatrany Ankazobe sy ny manodidina ny taon-dasa teo. Tsy mety tapitra io tranga io hatramin’izao. Vao afakomaly, roa lahy lasan’ny mpaka an-keriny tany Tsaratanàna. Andalam-panaovana ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.