Ho fanakaikezana bebe kokoa ny vahoaka. Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra mba hampahafantatra ny lalàna eo amin’ny fananan-tany.
Miara-miasa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny avy amin’ny Foibem-pitantanana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD) ary ny FAO ho amin’ny fampanjariana izany.
Samy nanao tantsoroka mba hisitrahana fampiofanana momba ny lalàna mifehy ny fananan-tany sy ny fiarovana ny tany ireo mpanao gazety miisa 30 avy amin’ny faritra Amoron’i Mania sy ny any Vatovavy, tamin’ity herinandro ity.
Tanjon’ny fampiofanana ny hampitomboana ny fahalalan’ny mponina momba ny tombontsoa azo amin’ny fananana tany ara-dalàna sy voaaro. Hampirisihina amin’ny alalan’izao fiofanana izao ireo mpanao gazety ireo hampita sy hanentana eny anivon’ny tantsaha mpamokatra.
Paikady fahazoana karatany
Hidina ifotony hanatona ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izy ireo amin’izany. Anisan’ny hiompanan’ny fiofanana ny famelabelarana sy ny fampahafantarana ny lalàna fototra mifehy ny fananan-tany. Eo koa ny momba ny sata tany. Manampy izany ny paikady amin’ny fahazoana karatany faobe sy ny serasera mifanaraka amin’izany.
Akoatra izany, eo koa ny torolalana atao an-tsitrapo ho fitantanana ny fananan-tany.
Tsiahivina fa nanomboka ny talata 20 janoary teo tao Ambatolampy izany fampiofanana izany ary hifarana, rahampitso.
Synèse R.