FANTINA sy FINTINA

Tokony ho samy tomponandraikitra ny rehetra ary aoka hanatanteraka ny adidiny ny tsirairay, araka ny nambaran’ny depiote Rakotoarisoa Jhonny, afakomaly. Nametraka ny ben’ny tanànan’Ivato ny tenany tamin’ izany ary nanentana ny rehetra mba tsy hifanome tsiny na hitsikera befahatany. “Aoka isika ho mpitondra vahaolana”, hoy izy.

Nampahafantatra ny lanjan’ny fiarahamonim-pirenena ny eo anivon’ny Transaparency International – MG ao amin’ny pejiny. Asongadin’izy ireo amin’izany fa anisan’ny mpandray anjara lehibe amin’ny fampivoa­rana ny firenena sy ny demokrasia ny fiarahamonim-pire­nena ary miseho amin’ny endriny isan-karazany izany.

Hanatanteraka fiombonam-bavaka ho fisao­rana an’Andriamanitra ny ben’ny Tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. Hatao anio amin’ny 3 ora tolakandroeny amin’ny fiangonana katolika Md Laurent eny an-toerana izany. Tsiahivina fa hiditra amin’ny fe-potoam-piasana faharoa amin’ny fitantanana ity kaominina eny Avaradrano ity ny tenany.

Nofanina ireo tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina, avy amin’ny faritra enina any Fianarantsoa. Nivoitra tamin’izany fa avokavoky ny fampandrosoana ara-toekarena ny fire­nena ny fampiroboroboana izany. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny tomponandraikitry ity departe­manta ity ka anton’izao fanofanana izao.

Partager sur: