Ankadimbahoaka : jiolahy raindahiny lavon’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service anti-gang (Sag), ny alin’ny sabotsy teo, tetsy Ankadimbahoaka ny jiolahy raindahiny iray. Azo sambo-belona kosa ny iray.

Maty voatifitry ny polisy, ny sabotsy alina teo, ny jiolahy iray nikoizina sy raindahiny tamin’ny asa fanendahana teto Antana­na-rivo. Lavo nandritra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny andian-jiolahy izy io.

Nanatanteraka hetsika manokana teny amin’ny ma­nodidina an’Ankadimbahoaka sy Paraky ary Namontana ny polisy avy ao amin’ny Service Anti-gang (Sag), tamin’io fotoana io. Voasambotra ta­min’izany ny lehilahy iray, mpanendaka raindahiny teny an-toerana. Nanaiky nanoro ny toerana hifanaovan’ireo olon-dratsy namany fotoana ity voasambotra ity rehefa no­hadihadiana sy noteren’ireto mpitandro filaminana. Ni­tsoaka avy hatrany ireo mpanao ratsy hafa rehetra tany amin’ny toby voatondro rehefa nahita ny fiavian’ny polisy. Raikitra, araka izany, ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Nanararaotra nandray antsy lava iray, izay an’ny namany latsaka tamin’ny tany anefa ilay jiolahy voasambotra tamin’ izany. Nikasa hanindrona polisy iray tamin’io fitaovana ma­ranitra io izy. Tsy nisalasala ny polisy nitifitra azy rehefa na­hita ny fikasan-dratsiny ka nahalavo azy. Azo sambo-belona nandritra izany kosa ny iray hafa.
Efa ela nokarohina
Efa ela nokarohina ity jiolahy lavo ity satria anisan’ny nampitondra faisana ny mponina tamin’ny resaka fanendahana sy fanaovana asa ratsy. Mampiasa zava-maranitra sy fitaovam-piadiana hatrany izy ireo rehefa manatanteraka ny asa ratsiny. Na dia efa misy sy betsaka aza ireo jiolahy voasambotra sy lavon’ny mpitandro filaminana. Mitohy hatrany ny asa fisafoana sy fanenjehana ireo mpanao ratsy manerana ny tanàna sy ny faritra maro. An­drasana ny tohin’ny raharaha.

Mino

Partager sur: