Mpangalatra sy mpanampoka solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Mpamily sy mpanampy azy miisa valo voasambotry ny zandary.
Saron’ny zandary teny Ankarefo, kaominina ambanivohitra Ambodinifody, disitrikan’i Moramanga, omaly, ireo fiarabe fito mpangalatra sy mpanampoka solika. Voasambotra tamin’izany ireo mpamily sy ny mpanampy miisa valo. Efa eo am-pelantanan’ny zandary izy ireo amin’ izao hanaovana ny fanadihadiana rehetra.
Nametraka fitoriana teny anivon’ny fikarohana ady heloka bevava teo anivon’ny zandarimaria ny teo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo, mahakasika ny halatra sy fanapohana solika teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Nisy ny fidinana ifotony sy ny vela-pandrika nataon’ny zandary teny Ankarefo toarian’izay. Nitohy ny fanarahan-dia sy ny fidinana ifotony nataon’ny zandary, taorian’ny angom-baovao maro samihafa. Tratra nandritra izany ireo fiarabe mpitatitra entana miisa fito, izay nitondra solika: lasantsy, gazoala ary solitany. Hita nandritra izany koa ireo bidons 71 isa nisy ireo solika ireo. Voamarina tamin’ izany fa nitampoka avokoa ireo solika noentiny rehetra ireo. Vokany, voasambotra niaraka tamin’izany ireo olona valo. Nahitana ny mpamily sy ny mpanampy azy avy.
Fiara mihidy
Anisan’ny nanampy nanaovana ny fikarohana sy nisambotra azy ireo ny fanomezan-dalana avy amin’ny fitsarana. Nirotsaka tampoka tany Moramanga (RN2) ny ekipan’ny section des recherches criminelles tetsy Fiadanana. Notronin’ny zandary avy ao amin’ ny compagnie Moramanga. Marihina fa mihidy avy any am-piaingana ireo fiarabe mpitatitra solika ireo, tokony ho any amin’ny fiantsonana vao esorina ny hidiny. Saingy efa nesorin’ireo mpamily sy ny mpanampy azy sy ireo mpiray afera avokoa, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny zandary. Natao ho fiarovana amin’ireo fiarabe ny anton’izany. Nogiazana avy hatrany ireo fiarabe, misahana ny fitiliana kosa ny avy amin’ny OMH. Hatolotra ny fitsarana izy ireo rehefa vita ny fanadihadiana.
Mino