Ambalamanasy : Andian-jiolahy ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary ny alin’ny 24 janoary hifoha ny 25 janoary lasa teo, tany Ambalamanasy ny tambajotrana jio­lahy mpamaky trano sy mpanendaka tany an-toerana. Voasambotra vokatr’izany, ny 11 mianadahy. Tsy ampy taona ny enina tamin’izy ireo, vehivavy kosa ny dimy hafa. Nanao fanarahan-dia tovolahy iray mampiahiahy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Rehefa nahavoaray antso sy fitarai­nana avy amin’ny mponina fa misy jiolahy mampihorohoro ny mponina amin’ny resaka fanendahana sy famakiana trano. Rehefa natao ny fanarahan-dia, tratra tao an-trano fonenany ny ity tovolahy ity. Niditra nisava ny trano ireo zandary avy eo ary hita tao ireo entana maro tsy ara-dalàna. Toy ny fana­miana miaramila, zavamaneno maro karazana, fandriana kidoro éponge vaovao, gony feno vary, finday avo lenta roa, fonosan-drongony ary entana maro isan-karazany. Nosam­borina ary nentina nohadihadiana eny anivon’ny zandary izy avy eo. Nanoro ny namany mpanao asa ratsy miaraka aminy izy nandritra izany ka nahavoasambotra ireo andian-jiolahy rehetra.
Efa voasokajy tao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka vaky trano sy fanendahana iny fokontany iny. Ahenoana fanendahana sy vaky trano foana isaky ny alina tany an-toerana. Efa tsikaritry ny mponina efa ela ny asa ratsy ataon’ ireto andian-jiolahy ireto fa tsy nisy sahy nitory ny olona. Noho ny tahotra mety hisian’ny valifaty eo amin’ny fiarahamonina.

Sajo

Partager sur: