Namoy ny ainy tao anatin’ny dobo filomanosana anatin’ny tokotanin’ny olon-tsotra ny lehilahy iray tao Antanetibe, kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, ny 27 janoary teo. Nahatazana olona nihaodihaody tao amin’ ny tanànany ny tompon-trano ny alin’io andro io, tamin’ny
7 ora sy 40 minitra. Tsy nanao akanjo, nivezivezy teo amin’ny faritry ny dobo filomanosana hatrany io lehilahy io. Niantso ny manam-pahefana, araka izany, ny tompon-tanàna. Nigadona teny an-toerana ny zandarimaria mpanao fisafoana. Nojerena ny manodidina saingy tsy hita ilay lehilahy voalaza. Hita faty tao anatin’ny dobo filomanosana teo an-tokotany io lehilahy tsy fanta-piaviana io. Nizaha ny vatana mangatsiaka ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII miasa ao Talatamaty. Tsy nisy nahafantatra ity lehilahy namoy ny ainy ity ireo manodidina. Naterina eny anivon’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha
izy taorian’izay. Lehilahy tsy salama saina io niditra antsokosoko tao anatin’ny faritry ny tanànan’olona io, raha ny angom-baovao voarain’ny zandary misahana ny famotorana.
Tsiferana R.