Antsirabe II : Maty ilay lehilahy potsitry ny kamiao

Maty teo noho eo ny lehilahy iray noteren’ny kamiao tao Ambano, kaominina Antsirabe II, ny talata 28 janoary tolakandro teo. Miara-miasa amin’ny mpamily io lehilahy io. Nanodina ny fiara anefa ny mpamily. Nanao ny asa fanaony izay nitarika sy nanoro ny mpamily amin’ny maha mpamily mpanampy azy io lehilahy io. Nisy kamiao iray hafa tsy lavitra ny toerana nihemoran’ny kamiao an’izy ireo. Tsy nampoizoiny tampoka, nihemotra tsy nisy fiafarana ilay kamiao ka tery teo anelanelan’ireo fiarabe roa ilay mpanampy azy. Naratra mafy ity farany. Namoy ny ainy izy vokatry ny voina mafy nahazo azy. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambano. Notazominina atao famotorana ny mpamily ny kamiao izay vao 22 taona. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: