Naiditra eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point teny Ambohibao Antehiroka.
Niatrika fampanoavana, omaly, voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy ireo telo lahy tompon’atoka tamin’ny fanafihana Cash point. Nitrangana fanafihana nataona jiolahy efa-dahy tao Antanetibe, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny zoma 24 janoary teo. Nandrasan’ireo olon-dratsy kendry tohana ny mpanao Cash point ka nasintomin’ny roa lahy ny sakaosy nisy ny vola. “Nitetina 4 tapitrisa Ar sy finday efatra lasan’ireo jiolahy”, hoy fanazavan’ny zandarimaria miasa eo Mandrosoa Ivato. Nitondra moto scooter marika kymco G5 ny iray tamin’ireo roa lahy niandry tsy lavitra ny toerana nanaovana ny fandrobana. Vantany nahazo ny sakaosy, nandositra niaraka tamin’ny moto ireo mpandroba. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny zana-tobi-paritra Mandrosoa. Nanao ny fikarohana ny nahavanon-doza.
Tra-tehaka ny iray
Tamin’ny alalan’ny angom-baovao mari-pototra voarain’ny zandary, voasambotra tamin’io fotoana nitrangan’ny fandrobana io ny iray tamin’ireo jiolahy. Nentina natao famotorana lalina teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy. Nitoroka ireo mpiaray tendro taminy tamin’ny fanantanterahana io fandrobana io ilay lehilahy. Vokany, olona roa hafa voasambotra. Niara-niatrika fampanoavana izy telo lahy ka izao niafara amin’ny fihazonana am-ponja mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana azy izao.
Tsiferana R.