Fernand Cello : Naiditra am-ponja eny Antanimora

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly hariva, i Fernand Cello, mandra-piandry ny fitsarana azy. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy izy, 24 ora taorian’ny nisamborana azy. Vesatra anenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fanelezana vaovao tsy marina, raha ny fanazavana voaray.
Nosamborin’ny zandary etsy Anosizato izy, afakomaly alina, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitra misahana ny fikarohana ady heloka bevava etsy Fiadanana. Voasambotra niaraka taminy ihany koa ny olona dimy. Notazomina tetsy Fiadanana izy taorian’izay ary nalefa teny amin’ny fitsarana.
Tsiahivina fa efa nokarohin’ny mpitandro filaminana izy nanomboka ny 5 oktobra 2023. Omaly kosa vao voasambotra. Fampitam-baovao voaray avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nahita ny toerana misy azy ka nisamborana ity farany.

Mino

Partager sur: