Natomboka tany Toamasina, ny zoma 31 janoary teo, ny tetikasa « Hazavana ho an’ny rehetra », ho an’ity taona 2025 ity. Fotoana nanamarihana izany, ny nanolorana ny jiro cobra tao amin’ny biraon’ny kaominina Toamasina I. Nanatanteraka izany ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, notarihin’ny talen’ny Kabinetra, Randrianaina Odon Marius.
Hampiasaina hanazavana ny arabe sy ny lalam-bahoaka ireto jiro cobra ireto. Tafiditra ao lohahevitra « Angovo ho an’ny daholobe ». Ao anatin’izany ny fampisitrahana herinaratra ny distrika rehetra eto Madagasikara tsy ankanavaka.
Misy koa ny tetikasa Lead, mifanindry andalana amin’izany, ny fanitarana ny tambajotra famatsian-jiro ny isan-tokatrano, ny orinasa, ny toeram-pitsaboana, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Eo koa, ny « fampidiran-jiro mora » sy ny fizarana kojakoja jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny tokantrano sahirana. Tanjona ny fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
Njaka A.