Fahafatesana mampiahiahy : Mpifankatia niara-hita faty

Nilaza fa handeha hivavaka ireto mpifankatia tamin’ny alahady. Hatairana ny an’ny fianakavian’izy ireo, omaly, rehefa nandre fa hita natsingevan’ny rano izy roa.

Olona roa, vehivavy 16 taona sy lehilahy 25 taona, samy maty an-drano tany Avaradrova, Moron­dava, faritr’i Menabe, omaly. Hita faty tamin’ny 8 ora sy 30mn maraina tany ho any ilay vehivavy. Raha toa ka tamin’ ny 12 ora sy 30mn ilay lehilahy. Mpifankatia ireto olona hita faty ireto, raha ny fana­zavana voaray avy any an-toerana.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny eo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo, vantany vao nandre ny tranga. Tsy fantatra mazava ny tena antony nahafaty azy ireo, tsy nahitana ratra ny vatan’izy roa ireto, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ny raharaha ny tomponandraikitra amin’izao fotoana.

Niala tao an-tranony handeha hivavaka

Niala tao an-tranony, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva, izy roa ireto, raha ny fanazavana voaray avy any an-toe­rana. Voalaza, tamin’izany, fa handeha ho any am-piangonana ny antony nialan’izy ireo ny trano ary tsy niverina intsony. Hatairana ny an’ny fianakaviana rehefa nandre fa hita natsingevan’ny rano ny fatin’ izy roa ireto, omaly. Efa eny anivon’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary andrasana ny mety ho tohiny. Mian­drai­kitra ny raharaha ny kaomisarian’ny polisim-pirenena (CSP) ao Mo­rondava.

Mino

Partager sur: