Namira antsy raim-pianakaviana : Jiolahy roa voasambotra, karohina ny namany

Tra-tehaky ny zandarimaria teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy tompon’an­toka tamin’ny famirana antsy raim-pianakaviana iray. Na­ratra mafy, tataky ny zava-maranitra, ny tarehin’io lehi­lahy lasibatra io rehefa izy hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vady aman-janany teny Mahazo, ny alin’ny 30 janoary, tamin’ny 11 ora alina. Name­traka fitoriana izy taorian’ny fitsaboana. Nifanindra an-dalana tamin’izany, naharay loharanom-baovao avy amina tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy jiolahy manorim-ponenana ao amin’ny tanànan’Analatsitohinina, fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely. Voasambotra io olon-dratsy io ka nahatrarana karazam-bitro lehibe halatra tao aminy. Nentina namonjy ny biraon’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Soamanandrariny izy. Tsikaritr’ireo voahendaka ny alin’ny 30 janoary anefa fa iray tamin’ireo nandroba azy ity lehilahy ity. Niaiky heloka ity farany. Efa namita sazy teny anivon’ny fonjan’Antanimora noho ny resaka rongony izy ny taona 2023. Nitoroka ireo namany miisa dimy. Tratra ny lehilahy iray hafa voalaza fa niara-niasa taminy. Inenina nanao fanafihana tao amin’ny kaominina Ambohimangakely izy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: