Niatrika ny fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo kristianina etsy amin’ny FLM 67 ha ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny alahady teo. Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny tenany, tamin’izany, ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny fifanampian’ny samy mpino. Nambarany fa misokatra
amin’ny fiaraha-miasa amin’ ny rehetra ny varavaran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Anisan’ izany ireo sampana rehetra eo anivon’ny fiangonana, ny tanora, ireo manohana ny vehivavy. Eo koa ny lafiny fanabeazana ny olom-pirenena. Nisy koa anefa ny hafatrafatra nampitainy ho an’ny kristianina sy ny mponina eto Antananarivo Renivohitra. “Andao isika hanalavitra ny fankahalana sy ny mety hampisaraka antsika amin’Andriamanitra sy amin’ny samy vahoakan’Antananarivo”, hoy izy.
Tsiahivina fa vao avy noraisin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy mianaka eo anivon’ny FFKM ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny herinandro teo, teny Andohalo. Nentaniny ho amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanohanana ireo raiamandreny eo anivon’ny fiangonana efa-tonta ireo. Niangaviany tolo-tanana koa ho amin’ny hanentanana ny mpino. Anisan’izany ny ho amin’ny fandraisan’andraikitra eo amin’ny fahadiovana, ny fahalalam-pomba, sy ny fifanampiana ary ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona… Nanambara ny maha eo hatrany ho fakan-kevitra kosa ny eo anivon’ny FFKM, araka ny nambaran’ireo filoham-piangonana.
Synèse R.