Trangana fanafihana mitam-piadiana roa samy hafa indray no niseho tao Toamasina tamina fokontany roa, ny zoma alina teo.
Voalohany, tao Ambohijafy Avaratra, parisela 14/31, renim-pianakaviana iray mpivarotra trondro no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Maka trondro avy any Antsiraka Soanierana Ivongo izy ka mivarotra izany ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sahambala hatrany Mangabe Sahanato, distrikan’i Toamasina II. Isaky ny tonga ao Toamasina izy, mivantana ao amin’ny tokantranon’ny fianakaviany ao Ambohijafy Avaratra. Nafana ny andro tamin’io fotoana io, saingy tsy nandeha ny rano tao amin’ny tokantrano nivantanany. Lasa nindrana rano handroana tany amin’olon-kafa teo amin’ny manodidina izy. Tsy napetrany tao amin’ny fianakaviany anefa io vola 10 tapitrisa Ar io fa nentiny tany amin’ny trano fandroana niaraka taminy. Vita soa aman-tsara ny fandroana, hamonjy ny trano nivantanany izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy teo amin’ny Lalampasika akaikin’ny toerana mpaninjara solika iray. Norobain’ny jiolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto, niaraka tamin’ny basy, ilay renim-pianakaviana. « Aiza ilay vola fa tifirinay raha vao tsy manome », hoy ireo jiolahy, araka ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana niharan’ny fandrobana. Lasa ny vola, safotra nianjera avy hatrany izy.
Fa tokantrano iray hafa koa voaroban’ny jiolahy tao Mangarivotra Atsimo, parisela 11/42, ny faran’ny herinandro teo. Jiolahy roa niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ka nandrahona basy ireo olona tao an-trano. Nalain’izy ireo ny vola sy ny volamena. Tsy mbola nisy tratra ireo jiolahy.
Sajo/J.C