Taksiborosy voatafika : Voafira antsy ilay mpandeha

Naratra teo ambany heliny, nofirain’ny mpandroba antsy ny lehilahy iray, raha toa ka voavely kibay ilay vehivavy, teny amin’ny RN4, 12 km miala an’i Maevatanàna, ny alin’ny alahady 2 febroary tamin’ny 11 ora alina. Niainga avy any Mahajanga, nifanao aloha sy aoriana ny taksiborosy miisa roa. Nosakanan’ny olon-dratsy tampoka teny amin’ny lalam-pirenena izy ireo. Nahatazana fanakanan-dalana, nitodi-doha niverina ilay fiara voalohany. Nampahafantatra an’ilay mpamily ny fiara avy aoriana ny mpandeha tao anatiny. Niezaka niverin-dalana ka nihemotra, tafalatsaka tao anatin’ny lavaka ny kodiaran’ilay fiara. Nanararaotra ireo mpanakan-dalana. Voafira antsy tamin’io fotoana io ny heliky ny lehilahy iray nipetraka tamin’ny seza aorian’ny mpamily. Voavelin’ny hazo koa ny vehivavy iray hafa. Nasesin’ireo dahalo nalaina avokoa ny entana sarobidy sy firavaka teny amin’ireo mpandeha rehetra.

Tsiferana R.

Partager sur: