Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava, omaly, i Jacques Delary sy Ranaivo Arison Odilon, mpisandoka ho zandary. Nokarohin’ny mpitandro filaminana hatry ny ela tao Toamasina izy roa lahy ireto. Heloka hanenjehana azy ireo ny fisolokiana sy fisandohana ho manamboninahitra zandary ary fampihorohoroana olona amin’ny alalan’ny antso an-tariby. Omaly maraina, nandritra ny angom-baovao teo anivon’ny zandarimaria, nahatratra efatra ny fitoriana manenjika azy roa lahy. Mpiasa eo anivon’ny orinasa madinika mpampindram-bola i Jacques Delary. Mijery ireo mpanjifa manana olana ara-bola amin’ny famerenam-bola izy. Ranaivo Arison Odilon namany indray no mandrahona ireo olona mpindram-bola milaza fa kaomandin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Nilaza izy fa raha tsy tiany ho samborina, tokony handefa vola ampahany kely aloha fa zandary izy. Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ireo niharan’ny fisolokiana sady nanamarina rahateo raha tena zandary tokoa ilay nifampiresaka tamin’izy ireo na tsia. Fotoana fohy taorian’izay, mbola niantso ihany ilay zandary sandoka ka nilaza tamin’ilay renim-pianakaviana voasoloky fa efa eto amin’ny biraonareo aho. Nilaza ilay olon-dratsy fa lasa nivoaka aho fa alefaso M/vola. Ny fanadihadiana no nahalalana fa efa volabe no efa voasolokin’ireto jiolahy ireto. Jonoin’izy ireo koa ny olona manan-draharaha anivon’ny fitsarana. Fisolokiana faharoa, miditra amin’ ireny fiangonana zandriny ireny izy roa lahy. Mody mazoto mivavaka matetika anatin’ny iray volana raha ela indrindra sady mitily izay manambola mpiara-mivavaka. Mindrana volabe izy roa lahy, efa mahazo laharana an-tariby ny mpiara-mivavaka ka antsoin’izy ireo indray amin’ny laharana hafa. Mitonona ho pastora any amin’ny toeran-kafa ka mindram-bola fa misy ilàn’ny fiangonana izany.
Sajo