Trafikan-tsokatra : Sinoa roa lahy nogadraina eny Tsiafahy

Mazava izao ny resaka! Teratany vahiny ny ankamaroan’ny mpanao trafikan-tsokatra eto Madagasikara. Malaza ny teratany sinoa. Nisy roa lahy naiditra eny Tsiafahy, omaly.

Ny eo tratra, ny etsy mi­poitra. Tra-tehaka teny Talatamaty, ny alahady 2 febroary teo, ny teratany sinoa miisa roa, nahatrarana sokatra miisa 17 tao an-tranony. Karazana Angonoka (Astro­chelys yniphora) ny 5 ary Radiata (Astrochelys Ra­diata) ny 12 tamin’ireo, izay samy tsy hita raha tsy eto Madagasikara sady atahorana ho lany tamingana. Voasokajy ao anatin’ny Tovana I ao amin’ny rafitra iraisam-pirenena Cites ireo biby ireo, izay voararan’ny lalàna eto Mada­gasikara ny fitrandrahana azy. Ankoatra ny sokatra, nahatrarana hazo baobab madinika na jabihy ihany koa tao an-tranon’ireo sinoa 2 lahy ireo, anisan’ny zavamaniry arovana rahateo.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa efa mpanao trafika izy roa lahy ireo. Mpa­merin-keloka ny iray, satria efa niditra am-ponja teto Madagasikara tamin’ny fanondranana sokatra ihany koa. Notazonina vonjimaika eny Tsiahafy izy mirahalahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo. Tanteraka ity hetsika ity, noho ny vela-pandrika natao taorian’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo. Niara-niasa nanao izany ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena.

Tambajotra
Vao tsy ela akory izay, rava ny tambajotra, nahitana vahiny mpanao trafika sokatra teto Madagasikara. Ni­ainga tamin’ny nahatrarana teratany tanzaniana, nitazona sokatra miisa 800 tany Mahajanga, ny 27 desambra 2024, ny raharaha. Niitatra tany Menabe, Androy, Anta­nanarivo ny fanadihadiana. Miisa 19 ny olona tratra, nahitana ireo Malagasy mpanangona ny sokatra any ambanivohitra, ny mpitahiry mandra-pahafeno ny isa tadiavina, ny mpanelanelana amin’ny vahiny manondrana any ivelany. Nisy sinoa 3 lahy hafa koa tratra nitondra sokatra miisa 105 teny amin’ny seranan’Ivato, ny janoary 2025 teo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: