Nosamborin’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 4 febroary teo. Naharay fampahafantarana tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa mitondra fitaovam-piadiana mandehandeha io lehilahy io. Nidina nijery ifotony ny raharaha ny polisin’ny UIR. Nosavaina ilay voatondro ka nahatrarana pistolet calibre 7,65 mm. Natao famotorana, niaiky fa tsy manana fahazoan-dalana manokana hitondra na hampiasa io fitaovam-piadiana mahery vaika io ny tenany. Tsy fantatra mazava ny antony nihazonany izany. Ahina ho mpiray tendro amin’ny jiolahy amin’ny fampiasana basy ity tra-tehaka ity. Nentina natao fanadihadiana izy alohan’ny hanolorana azy eny anatrehan’ny fampanoavana. Nogiazana ny basy tratra teny aminy.
Tsy fandriampahalemana
Miafara amin’ny fandratrana, hatramin’ny vonoan’olona, ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo olon-dratsy amin’izao fotoana. Ireo mpikirakira vola mivantana toy ny mpanao Cash point, mpanakalo vola vahiny, hatramin’ny mpivarotra fiara, samy lasibatra tao anatin’ny roa herinandro lasa. Nitam-basy avokoa ireo mpanao fanafihana tamin’ny fotoana nanatanterahana ny fandrobana. Na izany aza, manao hazalambo ireo jiolahy ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.