Saron’ny zandary tao Toamasina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana, fantatra amin’ny anarana hoe i Voamba. Avy any Ambovombe Androy izy saingy tonga manao ny asa ratsiny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Maro ny fanafihana efa vitan’ity jiolahy ity ary niaiky izany rahateo izy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary azy. Notsoriny teo anoloan’ireo zandary mpanao famotorana aza fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fandrobana sy fanafihana mpivarotra akoho matavy tao Tanambao fahadimy, ny 15 desambra 2024 teo, izy. Nahaverezana vola mitentina 20 tapitrisa Ar io fanafihana voalaza io. Nambarany fa 4 500 000Ar no anjarany tamin’izany vola izany. Nilaza ity farany fa efa nalefany any Ambovombe Androy nividianana omby io anjara volany io. Nohamafisiny tamin’ny zandary fa dimy lahy izy ireo no nanatanteraka ny fanafihana. Saingy, samy tsy misy manana trano sy adiresy mazava avokoa ireo namany. Jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana ry zalahy ireto, araka ny fanazavan’i Voamba. Tsy rototra akory ity jiolahy ity niresaka tamin’ny zandary fa mora kokoa ny manao fanafihana ao Toamasina ka antony mahatonga ireo jiolahy mivangongo manafika ao an-toerana. Teo am-pikasana hividy basy rahateo izy no nifanehatra tamin’ny zandary, araka ny tatitra nampitain’ny zandary.
Sajo