Maty voatifitry ny zandary ny dahalo mpamono olona iray tao amin’ny kaominina Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano ny 05 janoary teo. Nanafika raim-pianakaviana iray ny alin’ny 30 desambra ka namono nahafaty azy , nokarohin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ity dahalo ity. Naratra ny roa tamin’ireo nanara-dia tamin’io andro io. Ny marain’ny alakamisy 5 janoary, naharay antso ny zandary. Fantatra fa i Nadiana ilay nahavanon-doza. Niroso tamin’ny fisamborana ity farany ny fokonolona izay nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Voasoroky ny mpitandro filaminana izany ka nentina natao fanadihadiana ilay olon-dratsy. Nilaza ny namany iray hafa ity farany ka nanaiky hanoro ny misy azy. Raikitra tampoka anefa ny sakoroka tao anaty haizina ka voatora-bato nataona olon-tsy fantatra ny fokonolona sy ny zandary. Nandositra nandritra izany ilay dahalo. Nasain’ny zandary nijanona tsy nety ka raikitra ny tifitra. Vokany, voa tao an-damosina io mpamono olona io ka maty. Mitohy ny fiakarohana ireo namany.
Tratran’ny tondradrano tao Lagnana, fokontany Ampety, kaominina ambanivohitr’i Kelivaho, distrikan’i Betroka, omaly, ny kamiaobe iray nitondra zava-pisotro. Niainga avy any Antsirabe ho any Taolagnaro no lasan’ny rano teo amin’ny tetezana iray ao Kelivaho ity fiarabe ity. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ity loza ity. Ny zandary ao an-toerana no manara-maso ity kamiaobe ity hialana amin’ireo mety hanararaotra. Olona iray koa no lasan’ny rano tao Ankirikirika, fokontany Benangana, kaominina Anjoma, distrikan’ Isandra, afakomaly. Efa nifanome tanana amin’ny fikarohana ny razana ny zandary. Mitohy ny fikarohana.
Nifanenjehan’ny fokonolona ny telolahy nangalatra mangahazo ka maty ny iray tao amin’ny kaominina Anjoma Nandihizana, distrikan’i Manandriana, ny 06 janoary teo. Araka ny zava-nitranga, tsikaritry ny olona iray ny halatra nataon’izy telolahy io ,ka nampandrenesiny ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny iray. Namaly tamin’ny zava-maranitra teny aminy ity farany. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy matin’ny daroka. Tafaporitsaka kosa ireo roalahy namany. Tsy fantatra mazava ny fiavian’ity mpangalatra maty ity ka noraisin’ny kaominina Nandihizana ny fikarakarana ny razana.