Mirongatra izaitsizy ny tranga fanolanana. Zaza vao telo taona niharan’ny fanararaotana ara-nofo. Karohina ny nahavanon-doza.
Namoy ny ainy vokatry ny fanolanana nahazo azy ny zazavavy kely iray 3 taona, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Nahazo antso mahakasika izany avy amin’ny lehiben’ny CSB II tany an-toerana ny tobim-paritry ny zandarimaria Mahambo, omaly tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Maty vokatry ny fanolanana nihatra taminy ity zazavavy ity, raha ny nambaran’ny mpitsabo, nizaha ny marary.
Nanomboka narary ity zazavavy lasibatra ity, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Niha niakatra ny hafanany ka nomen’ny ray aman-dreniny “paracétamol”. Niharatsy anefa ny toe-pahasalamany ka nanapa-kevitra ny hitondra azy any amin’ny hopitaly ireo ray aman-dreniny omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nandray an-tanana azy haingana ny mpitsabo any an-toerana. Fantatra nandritra ny fizahana fa nisy nanolana ny antony nampaharary azy. Tsy mbola fantatra ilay olona nahavanon-doza nahavita nanolana ity zazavavy ity. Ahina ho ny iray amin’ireo mpiray tanàna sy amin’ireo mpiara-monina ny nanao izany, raha ny fanazavana voaray. Mandray an-tanana ny raharaha sy ny fanadihadiana ary ny fikarohana ny olon-dratsy ny eo anivon’ny borigadin’i Fenoarivo Atsinanana. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay voaolana amin’izao fotoana izao.
Mino