Behoririka : Voasambotra ireo olona telo nandroba orinasa

Nangalatra ordinatera tao amina orinasa iray ao Behori­ri­ka, olona telo tra-tehaky ny polisy. Tratra teny amin’izy ireo ny entana halatra rehetra.
Voasambotry ny mpitandro filaminanana ao amin’ny boriborintany faharoa, etsy Ambohijatovo, ny alarobia 5 febroary teo, ireo olona telo noho ny halatra sy vaky trano. Nitrangana vaky trano tao amin’ny orinasa iray ao Beho­ririka. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana ka nijery ifotony ny zava-misy. Nitaraina ny tompon’ny orinasa fa lasan’ny olon-dratsy avokoa ny fitaovam-piasana rehetra, toy ny solosaina sy ny fitaovana informatika tao amin’ilay orinasa. Lehilahy iray no voasaringotra ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’ireo entana ireo. Nanao ny fi­sa­vana ny toeram-ponenan’io lehilahy nahiahina io ny polisim-pirenena. Tra-tehaka, ta­min’izany, ny solosaina miisa 30 izay anisan’ny nangalarin’ilay lehilahy tao anatin’ny orinasa voalaza. Naha­tra­rana entana hafa toy ny bisikileta koa tao aminy. Niaiky heloka, nanambara ireo namany niisa roa niaraka nanao ny asa ratsy taminy io lehilahy io. Ni­ara-voasambotra izy telo. No­giazana avokoa ireo entana halatra rehetra tao aminy. Nentina natao famotorana, hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana lalina izy telo ireo.
Nahatrarana basy

Ankoatra io, basy vita gasy iray tra-tehaky ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CSP5 Mahamasina, teny Ankazo­toho Anosimahavelona, ny 5 febroary teo. Telo lahy nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’io faritra io no nanipy ki­tapo iray. Nitsoaka nandositra ireo olona voalaza ireo. Nosa­vaina ny kitapo, kinanjo nahitana fitaovam-piadiana niampy bala miisa efatra. Tsiahivina, basy “pistolet automatique“ iray nogiazan’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray tao Ankadikely Ilafy, ny fiantombohan’ny herinandro teo. Niampy iray indray ankehitriny ny fitaovam-piadiana tra-tehaka.

Tsiferana R.

Partager sur: