Telo mianadahy nandray anjara tamin’ny fandrobana taxi-moto voasambotra ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa Ivato, omaly. Renim-pianakaviana nilaza hitondra hazandrano teny Alakamisy Ambohidratrimo, ny 13 janoary lasa teo, tamin’ny 4 ora hariva. Nentin’ilay mpitondra taxi-moto izy. Niova tampoka teny am-pandehanana ny toerana naleha. Novain’ilay ramatoa ho any Fiakarana indray no nitondrana azy. Nigadona teny amin’io tanàna voalaza io, efa-dahy nipoitra tampoka. Nanatona ny mpitondra moto izy ireo ka nidaroka sady nandroba. Nalain’ireo tsy mataho-tody ny vola 230 000 Ar niampy finday sy kitapo. Lasa ihany koa, ny moto. Nitsoaka ireo nahavanon-doza. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandarimaria. Vokany, olona telo tratra ka vehivavy niray tsikombakomba ny iray. Mitohy ny fikarohana ny naman’ireo jiolahy nanafika.
Tsiferana R.