Nandroba 8 tapitrisa Ar : Roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Naleon’izy roa lahy nigadra toy izay nanambarana izay nanafenana ny vola. Nanafika mpanao Cash point, teny Alasora izy ireo. Nandalo fampanoavana, ny faran’ny herinandro teo, ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, roa lahy tompon’antoka tamin’ny fandrobana Cash point teny Androka, kaominina Alasora, tra-tehaka ny 5 febroary teo. Nitondra zava-maranitra, nanaovan’ireo roa lahy ny asa ratsiny ny tompon’ilay kioska fandefasam-bola tamin’ny 7 ora hariva. Norobainy ny vola rehetra niampy ny finday. Nifa­nen­jehana ireo nahavanon-doza. Nanampy ny zandarimaria raha teo ny fokonolona. Vokany, tratra ny lehilahy iray nandray anjara tamin’ny fandrobana. Nahatrarana antsy maranitra sy kitapokely teny aminy. Noterena hitoroka ny namany ilay nahavanon-doza. Voasambotra tao amin’ny trano fonenany io lehilahy namany io. Niaraka nentina teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana natao famotorana izy roa lahy. Tetsy ankilany, tsy nilaza hatramin’ny farany tamin’ny zandary nanao famotorana azy ny toerana nasiany ny lelavola nangalariny izy roa lahy ireto. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha. Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’An­ta­nimora ireo jiolahy.

Dimy lahy

Mpangalatra moto sy mpamaky fiara eto an-dRenivo­hitra dimy lahy voasambotry ny polisim-pirenana, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Tovo­lahy nikasa hamaky tsena tao Analamahitsy nosamborin’ny CSP8 ny alin’ny 6 febroary teo. Nanara­raotra hanokatra an-keriny ilay tsenam-barotra izy kinanjo tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana. Ankoatra ireo, telo lahy niray tsikombakomba nangalatra fiara an’ny orinasa iray nalefa eny Antanimora ny 6 febroary teo. Nangalarin’izy ireo ta­min’ny taona 2024 io fiara io. Naharay fitarainana ny polisy ka nanao fikarohana.

Tsiferana R.

Partager sur: