Tsy fandriampahalemana : Mirongatra ny hala-boty isan-karazany

Mirona amin’ny fanaovana hala-boty isan-karazany ny ankamaraon’ireo mpanao asa ratsy any amin’ireo kaominina maro samihafa eto amin’ny Nosy. “Nirongatra izany tao anatin’ny iray volana izay, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana”, hoy ny solombavahoaka voafidy any an-toerana, Rakotoarisoa Johnny. Anisan’izany, ny halatra akoho, kisoa, omby, mangahazo sy ny maro hafa. Vao nahitana izany farany ny tao amin’ny kaominina Fiadanana, fokontany Antanam­bahiny, raha ny nambarany. Lasa mangalatra ny olona eny anivon’ny fiarahamonina noho ny tsy fisian’ny asa. Manome vahana ny mpanao ratsy ihany koa ny fihavian’ny orana, indrindra amin’ny alina. Tsy henon’ny mponina manodidina ny anantanterahan’izy ireo ny asa ratsiny mandritra izany. Tsy dia ahitana sy hahenoana vaky fasana firy intsony kosa amin’izao fotoana izao any an-toerana, raha ny nambarany hatrany. Ezaka atao ny hisian’ny fandriampahalemana tanteraka any an-toerana satria miantoka ny asa famokaran’ny mponina sy ny tantsaha maro izany.

Mino

Partager sur: