Niara-naiditra hopitaly ny olona 41 mianaka, omaly. Voapoizina tamin’ny sakafo izy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo. Avy namonjy fiaraha-misakafo tamin’ny toerana fandraisana lanonana iray.
Olona 41, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaliben’i Tambohobe-Fianarantsoa, nanomboka omaly. Niara-nifety sy namonjy lanonana fampiakaram-bady tany amin’ny trano fandraisana lanonana iray tany Antsororonkavo Mahamanina izy ireo, ny sabotsy lasa teo. Nanomboka narary sy hafahafa ny toe-pahasalaman’izy ireo. Samy narary kibo, nandoa sy nivalana, ary nafana hoditra avokoa izy ireo taorian’ny lanonam-pianakaviana, raha ny angom-baovao. Nihevitra ny fianakaviana fa tsy fahazakana ny sakafo nohanina ny antony nahatonga azy ireo narary. Tapa-kevitra ny fianakaviany fa hoentina avy hatrany eny anivon’ny hopitaly ireo tsy salama hijerena ny fahasalamany. Fantatra tamin’ny fizahan’ny mpitsabo, fa marary vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo avokoa ireo olona ireo.
Arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany
Zaza avokoa ny 14 amin’ireo 41 naiditra hopitaly ireo. Raha toa ka olon-dehibe ny 27 ambiny. Mbola arahi-maso ary tsy maintsy notazomina ao amin’ny hopitaly hatramin’izao ireo ankizy 14. Toy izay ihany koa ireo olon-dehibe telo noho ny aretina lalina nahazo azy ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nalefa nody kosa ireo ambiny rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy.
Manoloana ny fiakaran’ny maripana amin’izao fotoana, ilana fitandremana mafy ny fikarakarana sakafo, mba tsy hahatonga azy hivadika ho fanapoizinana tahaka ity tranga ity, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Mbola tsy fantatra kosa ny karazan-tsakafo nohanin’ireto olona ireto ka nahatonga azy ireo harary.
Mino