Mahavoasazy ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila. Betsaka loatra ny jiolahy mampiasa ireny akanjo ireny, entiny hanaovany ny asa ratsy ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Emmo-nat, omaly. Hisy, araka izany, ny fisavana sy fanaraha-maso eny rehetra eny manomboka izao, raha ny fanazavana voaray. « Hatramin’ny zoma izao, hanabe ny olom-pirenena tsotra ny mpitandro filaminana mba tsy hanao ireny akanjo ireny alohan’ny hampiharana ny lalàna manomboka ny sabotsy izao », hoy ny jeneraly Andriantahiana Jean Hubert Rakotomalala. Voasazy an-tranomaizina iray volana hatramin’ny dimy taona sy lamandy 300 000 Ariary hatramin’ny 9 000 000 Ariary ireo olona sivily tratra manao fanamiana miaramila, araka ny lalàna laharana faha-78-039 tamin’ny 13/07/78 ».
Tato ho ato, manao fanamiana miaramila ireo olon-dratsy eo am-panatanterahana asa ratsy. Maro ihany koa ireo olona mivarotra ireny fitafiana ireny ka mampitombo ny asa ratsy, araka ny fanazavana. Mikasa ny handray fepetra hentitra ny Emmo-nat manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Mbola hisy anefa ny fanentanana ireo olom-pirenena nanomboka omaly hatramin’ny zoma. Tanjona ny hahafantaran’ny rehetra izao fanapahan-kevitra izao.
Mino