Nanomboka ny 5 febroary lasa teo, tafakatra 11 ireo olona voarihorohy sy voasambotra tamin’ilay halatra entana solosaina 37 sy bisikileta elektrika tetsy Behoririka. Voasambotra omaly ny 8 tamin’izy ireo.
Niampy valo indray ireo mpandray entana tsy ara-dalàna tamin’ilay halatra entana: bisikileta elektrika sy solosaina 37 tao amin’ny tranombarotra informatika iray tetsy Behoririka, ny novambra 2024 lasa teo. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo, omaly, izy ireo. Tafakatra 11, araka izany, ireo olona voasambotra tamin’ny fivarotana entana halatra nanomboka ny 5 febroary lasa teo. Efa voatazona am-ponja vonjimaika any Antanimora ny telo tamin’izy ireo. Tompon’ antoka tamin’ny fangalarana ny iray, niaraka tamin’ireo mpivarotra sady mpandray entana halatra roa hafa. Raha toa ka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny iray hafa.
Tompon’antoka ilay mpivarotra
Raha tsiahivina, nametraka fitarainana teny anivon’ny CSP2 Ambohijatovo ny tomponandraikitry ny tranombarotra, taorian’ny trangana fahaverezan’entana maro tao, nanomboka ny volana novambra 2024 lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana, araka izany, ny polisy rehefa naheno ny tranga. Voahorohirohy tamin’izany, ilay mpivarotra, 22 taona, tao amin’io tranom-barotra io. Nanoro ireo roa lahy niray tsikombakomba nanao ny halatra niaraka taminy izy, nandritra ny fanadihadian’ny polisy azy voalohany. Nitohy ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka nahafahana nisambotra ireo olona valo ireo indray. Efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo entana very rehetra.Natolotra ny fitsarana omaly, izy 11 ireo, 8 nahiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy, 1 eny Antanimora, izay vehivavy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa hafa.
Mino