Maty lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Tsiroanimandidy, i Fidel kely, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nahazo antso avy amin’ny mponina any an-toerana ny zandary fa misy dahalo 15 lahy mitondra basy mandalo ny kizo any Borikely, fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Tsiroanimandidy talohan’io tranga io. Nidina nandrava ny asa ratsin’ireto andian-jiolahy ireto ny zandary nampandry tany, tany an-toerana. Nitarika izany ny Lietnà, kaomandy lefitry ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria avy any Tsiroanomandidy.
Mbola tratra teo amin’ilay kizo ireto andian-jiolahy ireto, nisy ny mpitsikilo manokana ka nitifitra ny zandary avy hatrany. Namaly tifitra ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana sy fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary, nandritra izany, ny dahalo iray niaraka tamin’ny basy vita gasy nampiasainy. Tafaporitsaka avokoa ny dahalo ambiny rehetra. Mbola karohina kosa ireo jiolahy tafatsoaka nandritra ny fifanjevoana.
Mino