Zaza varira nisy naka an-keriny : 17 ireo voasambotra, raikeliny ihany ny iray

Ravan’ny polisim-pirenena ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ilay zaza varira, dimy taona, very tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Mahatratra 17 ireo tompon’antoka tamin’izany.

Tratran’ny polisim-pirenena tany amin’ny lalam-pirenena faha-12, tao Ambila, 20 km miala an’i Manakara, afakomaly tamin’ ny 10 ora alina, ireo nangalatra sy nitondra ilay zaza varira, 5 taona, nisy naka an-keriny ny faran’ny herinandro lasa teo. Hatramin’izao, mahatratra 17 ireo olon-dratsy sy niray tsikombakomba ary tompon’antoka voasambotra mahakasika ity raharaha fakana an-keriny ity. Efa notazomina any amin’ny biraon’ny polisy sy zandary avokoa izy ireo. Nahitana vehivavy ary anisan’ny olon-dratsy ny raikelin’ilay zaza, raha ny angom-baovao avy amin’ny polisy.
Nafenin’ireo olon-dratsy tao amin’ny trano iray, tao Ambila, io zaza varira nalain-dry zareo an-keriny io, raha ny angom-baovao azon’ny polisim-pirenena any an-toerana ihany. Nanao ny paikady sy vela-pandrika rehetra mba hanavotana io zaza io ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ireo olon-dratsy. Vokany, dimy mianadahy no voasambotra, ka vehivavy ny iray tamin’izy ireo. Raha tafapori­tsaka kosa ny sasany nandritra ny fifandonana. Voatifitra tamin’ny tongony ny iray ta­min’ireo tafaporitsaka ka voasambotra ihany. Valo ny fitambaran’ny voasambotra, izay mpiray tsikombakomba sy tompon’antoka mivantana amin’ny fakana an-keriny. Ankoatra izay, olona sivy hafa nosamborina sy notazonina ao Vohipeno, ao amin’ny biraon’ny Polisy sy ny Zanda­ry, any an-toerana.

Tafaverina soa aman-tsara ilay zaza

Hita sy avotra soa aman-tsara nandritra io fisamborana io ilay zaza varira, dimy taona, nalaina an-keriny. Efa nalain’ ny ray aman-dreniny tany an-toerana moa ilay zaza taorian’izay.
Raha tsiahivina, nisy naka an-keriny tao an-tranony, tany amin’ny fokontany Foroforo, kaominina Vinany, distrikan’i Vohipeno, io zaza varira io, ny alahady maraina tamin’ny 3 ora. Niara-natory tamin’ny ray aman-dreniny izy io no nisy naka. Niditra antsokosoko tao an-trano ireo olon-dratsy naka an-keriny io zaza io. Taitra tamin’ny 3 ora sy sasany ny reniny, nefa tsy nahita ilay zaza teo am-pandriana intsony. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny zandarimaria nanao ny fanarahan-dia ary izao nahitam-bokany izao.

Mino

Partager sur: