Hita nalevina teo an-tokotany iray, any Ambohitranjavidy, Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny vata-mangatsiakan’ny renim-pianakaviana, efa tsy hita nandritra ny fotoana ela, afakomaly. Razana efa potika sy efa simba tanteraka no hita nandritra ny famongarana azy tao.
Raha ny fantatra, tsy hita popoka nanomboka ny volana marsa 2024 io ramatoa io. Nivarotra tany tamina lehilahy iray ity renim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io. Rehefa vita ny taratasy rehetra, nilaza ilay mpividy fa hatao any an-tranony ny fandoavam-bola mintetina 7 tapitrisa Ariary. Tsy hita intsony ny nisy ilay ramatoa nanomboka teo. Nametraka fitoriana teny amin’ny manam-pahefana ireo zanany rehefa tsy nahita io reniny io naomboka teo. Nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka voasambotra ilay lehilahy nividy ny tany sy ny vadiny ary naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny fampanoavana natao azy ireo. Nitohy anefa ny fikarohana ilay ramatoa, ary tsy mbola nahitana mangirana. Naverina nohadihadiana ity lehilahy nividy ny taniny ity ka fantatra nandritra izany, fa novonoiny sy naleviny eo an-tokotany io ramatoa io. Antony nahatonga azy nanao izany ny disadisa teo aminy sy ilay renim-pianakaviana io. Nohadiana ilay toerana ka hita tao ny razana efa simba sy potika tanteraka. Haverina hatao fampanoavana fanindroany indray ity lehilahy ity, raha ny fantatra.
Mino