Herinaratra tapaka : Trano iray kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina indray tao amin’ny fokontany Depot fahefatra, parisela 23/44, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Tonga ara-potoana namono ny afo ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina fa indroa tsy tafiditra tany amin’ilay toerana nitrangan’ny firehetana. Ni­tarika olana tamin’ny famonoana ny afo izany satria nanao tifi-davitra tamin’ny alalan’ny fantsona mitondra rano izy ireo. Nanao izay vitany ihany koa ny fokonolona nitatitra rano. Vokany, may kila forehitra, lasa lavenona, ny entana rehetra tao amin’ilay trano. Trano lehibe, manana efitra enina izy io. Mpanofa avokoa ny ao anatiny, izay nametraka olona tsy manan-kialofana 15. Olona iray tamin’ ireo, naratra mafy teo amin’ny tanany sy tarehiny, raha ny tati­tra voaray avy amin’ny kaomandin’ny mpamonjy voina, ny kolonely Charles Desiré.
Vokatry ny fahatapatapahan’ny herinaratra ny antony nahatonga ny firehetana, teo koa ny fipoahan’ny varatra sy tselatra izay nitarika ny fifampikasohan’ny herinaratra, raha ny valin’ny fanadihadiana natao. Ho fisorohana ny loza, ilaina ny famonoana ireo zavamaneno, ny fanesorana ny “prise” rehetra mipetaka ao an-trano, raha ny fanazavana hatrany.
Tonga ara-potoana ny fiarabe mpamonjy voina fa nisy ireo sakana indroa nahazo azy ireo. “Rehefa misy ny fahatapahan-jiro dia mikatona ny vavahady mampisaraka ny lalamby sy ny godirao”, hoy izy. “Niverina nitady lalan-kafa indray fa tsy afaka niditra ihany noho ny haterin’ny lalana ka niezaka nanao tifi-davitra sisa nanavotana ny fahavoazana sy ny voina”, hoy hatrany ny lehiben’ny mpamonjy voina.

Sajo

Partager sur: