Hatao toeram-pitsidihana fitaratra amin’ny fizahantany aty Afrika ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nivoitra izany nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tany amin’ny fivoriambe WGS tany Dubai, ny 12 febroary teo.
Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany sy ny naman’i Madagasikara, hanokatra ny varavarany sy ny fony ny filoha Rajoelina Andry. « Andao hiaraka hanoritra zotra ara-pizahantany miavaka » hoy izy. Hampitomboin’i Madagasikara ny hafainganam-pandeha hampandrosoana ny sehatry ny fizahantany. Mba hahombiazana, zava-dehibe sady ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina. Efa maromaro ny tetikasa manan-danja efa hitanay. Toy ny famoronana faritra azo tsidihina vaovao any amin’ny Valanjavaboahary manokana. Eo koa ny fandraisana andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, tsara kalitao any amin’izy ireny. Ny fampiroboroboana ny fizahantany dia manome lanja ny asa tanana, ny kolontsaina toy ny karazan-javamananaina miavaka sy sangany. Efa napetrakay ny vato fototr’izany fanovana izany. Maro ny vondrona sy orinasa iraisam-pirenena vaventy, misehatra amin’ny trano fandraisam-bahiny sy ny fitaterana ana habakabaka, nanapa-kevitra tonga any Madagasikara.
Mifanandrify amin’izany, efa nametraka fehezan-dalàna lasitra manome antoka ny mpampiasa vola vahiny ny fanjakana malagasy.
Manana ny fahaiza-manaony ny Malagasy
Nohamoraina ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny lafiny lalàna ara-ketra, mba hanome risipo azy ireny. Efa maro ny orinasa sy mpandraharaha vaventy amin’ny lafiny fandraisam-bahiny sy fizahantany. Nomarihin’ny filoha Rajoelina Andry fa manana ny fahaiza-manaony ny Malagasy, fa ilaina koa ny fanamafisana ny fampiofanana. Iaraha-mahalala ihany koa ny fahaizan’ny vahoaka malagasy mandray vahiny.
Njaka Andriantefiarinesy