Ambato Boeny : Mitaky ny hamerenana ny tranony ireo olon-tsotra

Tsipahin’ny olon-tsotra tompon’ny trano ny fibodoana mpitsabo iray mpiasam-panjakana ao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, ny taniny, amin’izao fotoana. Mitaky ny hamerenana ny taniny izy ireo taorian’ny fifanarahana nisy teo amin’ilay mpitsabo. “Misy taratasy ara-dalàna manambara fa mifarana ny 2024 ny fampiasan’ilay mpanararaotra fahefana ny tany”, hoy ny nambaran’ilay fianakaviana lasibatra. Tany hafa no naseho ny tomponandraikitra nandritra ny fidinan’izy ireo ifotony tany an-toerana, araka ny fanamafisan’ity farany. Famahanan-dalitra ankitsirano ataon’ilay misoloky ny tany anefa izany ho azy ireo. Raha tsiahivina, nangataka tamin’ireo tompon-tany ny sefo fokontany sy ny Sojabe teo amin’ny tanàna io mba hametrahana io mpitsabo io tao an-toerana, tamin’izany fotoana. Niitatra ny hevitr’ilay nomena alalana ka nilaza fa hananganany toeram-pitsaboana ny trano ary tsy nety niala teo intsony izy. “Efa misy CSB II anatin’io fokontany io. Tsy rariny raha fokontany iray hisy toeram-pitsaboana miisa roa”, hoy ny fanazavan-dRandriamanantsoa Seta, solontenan’ny lasibatra.

Mino

Partager sur: