Tra-tehaka ireo taolam-paty nisy nandroba tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kominina Antanambao Manampotsy, ny alin’ny alatsinainy 10 febroary teo. Nandritra ny fanarahan-dia sy fikarohana ny manodidina, hitan’ny fokonolona sy zandary tao anaty ala ny taolam-paty miisa 500. Nojerena ifotony tao anatin’ny fasana ka voamarina fa ireo toerana nisy ny razana lahy no norobain’ireo olon-dratsy. Voaroba avokoa ny zava-tsarobidy nampanarahina ny razana. Raha hiverenana, novakian’ny jiolahy miisa fito ny fasana tao Fanatsarana. Nisy nahatsikaritra io tranga io noho ny fisian’olona tsy dia mazavazava loatra. Hita fa niray tendro tamina mpandraharaha efa harahi-maso tao Ampasimadinika izy ireo. Vokany voasambotry ny fokonolona ny iray. Matin’ny fitsaram-bahoaka, niharan’ny vono sy daroka izy, raha mbola karohiny kosa ireo enina hafa. Hatreto, nanambara ny loharanom-baovao fa efa manao izay ho afany iarahany amin’ny mponina eny amin’ireo kaominina manodidina ny zandarimaria eo anivon’ny borigadin’ Antanambao Manampotsy.
Sajo.