“Mijery ny maha olona ny fitondram-panjakana. Anisan’ny zavatra nanakianana an’i Madagasikara eo amin’izany fanajana ny zon’olombelona izany ny fiaimpiainan’ny famonjana eto Madagasikara.”Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitokanana ny fonjaben’Ikelivondrake, Ihosy, ny faran’ny herinandro teo.
Nanomboka tamin’ny taona 2019, ezaka marobe no nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana fitsarana ambaratonga voalohany amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara. Eo ny fametrahana toeram-pamonjana maro; ny fandraisana mpandraharahan’ny fonja maro. Hahazoana manampy azy ireo mba tena hitombina tsara izay fandraharahana fonja izay. Eo koa ny ezaka manokana hisian’ny fepetra fitantanana am-ponja hihatsara. Izay no nametrahana tobim-pamokarana maro ho an’ny voafonja.
I Madagasikara manontolo no voasahan’ny fonjaben’Ikelivondrake, izay famonjana ny mpangalatra omby, ny mpaka an-keriny… Izay no nanaovany antso avo ny Malagasy fa misy ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana. Tokony hiverina any amin’ny fiarahamonina ny mpanao ratsy mba hahazoana manampy azy koa amin’izay fiverenana amin’ny fiarahamonina izay. Hahazoan’izy ireo mihary toy ny olona rehetra izany, ary mba hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana. Misy toeram-piofanana ho an’ny voafonja ny fonjaben’Ikelivondrake, izay mahazaka voafonja 480 isa amin’ny fenitra iraisam-pirenena Hampianarana asa tanana sy fanofanana amin’ny asa ireo voafonja, hamolavolana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiarahamonina.
R. Nd.