Naneho ny fahavononany amin’ny fanohizany ny politika ny eo anivon’ny antoko HVM. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andraharo.
Nambaran’ny mpandrindra nasionaly, Rakotovao Rivo, ary nohamafisiny fa mijoro ho mpanohitra hatrany izy ireo manoloana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra. “Tsy hanongam-panjakana anefa izahay saingy tsy maintsy miteny”, hoy izy, tetsy Andraharo, ny sabotsy teo. Nambarany fa mankato ny iraisan’ny maro ny HVM ho an’ny tombontsoam-pirenena ary te hanana ny tsara. Tsy mpanohitra olona fa mitsipaka ny safidy politikan’ny mpitondra, araka ny nambarany. Notanisainy ny fahapotehan’ny fihariana toy ny lavanila, ny fampidirana ny masomboly vary safiotra, ny olan’ny fitsaboana, ny tsimatimanota, ny tsy fitoviana eo amin’ny lalàna.
Nanteriny fa mikorosy fahana ny firenena ka tokony havela hiteny ny rehetra manoloana izao zava-mitranga eo amin’ny tsy fitoviana sosialy sy ny fahantrana izao. Nampirisihiny ny mpitondra fanjakana mba tena hijery ny tombontsoam-pirenena. Noraisiny ho ohatra ny fijerena ireo marary eny amin’ny hopitaly, eto an-dRenivohitra. Mba tsy hitenena hoe jereo ny fahorian’ny olona any Atsimo sy ny hafa koa, araka ny nambarany… “Tsy azo ekena ny fitantanana ny firenena tahaka izany”, hoy izy.
Notsiahiviny koa ny momba ny fifidianana farany teo. Notsindriny fa tokony hodinihina ny momba ny fifidianana sy ny lalàna, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa nanome toromarika koa ny filoha nasionaly, Rajaonarimampianina Hery, ka nilaza fa tokony hanana fijery lavitra sy hamerina ny soatoavina ka hanadihady ny zava-misy ny HVM.
Synèse R.