Efa nivoaka ny fanapahana ahazoan’ny kandidà ny anto-bolany tamin’ny niatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ny 11 desambra teo. Tsy ny rehetra anefa no hisitraka izany.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa efa tokony haka ny anto-bolany ireo kandidà tamin’ny fifidianana farany teo. “Efa azo alaina any anivon’ny Tahirimbolam-panjakana izany ho an’ireo nahafeno ny fepetra”, hoy io loharanom-baovao io. Na izany aza, voafetra ho ireo kandidà nahazo ny mihoatra ny 10% na ireo voafidy ho ben’ny Tanàna no misitraka izany.
Anisan’ny taratasy ilaina amin’ny hahazoana izany ny fangatahan’ilay kandidà. Eo koa ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) sy ny rosia miaraka amin’ny taratasy manamarina ny nandoavana ilay anto-bola teny amin’ny Tahirimbolam-panjakana.
Tsiahivina fa noferana ho 1 200 000 Ar ny ambany indrindra raha 20 tapitrisa Ar ny ambony indrindra tamin’ny anto-bola naloan’ny kandidà ho ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, miaraka.
Miverina ny vola ho an’ireo nahazo ny 10%
Miverina izany ny 20 tap Ar ho an’ireo nahazo ny mihoatra ny 10% ho an’ny kaominina an-tanàn-dehibe “Hors catégorie”. Anisan’izany Antananarivo Renivohitra sy Ste Marie ary i Nosy Be. 15 tapitrisa Ar izany ho an’ny tanàn-dehibe “1ère Catégorie”. Ho an’ireo kaominina an-tanàna-dehibe “2é Catégorie” kosa, arakaraka ny isan’ny mpanolotsaina monisipaly izany. Mitentina 5 tapitrisa Ar raha miisa 19 ny mpanolotsaina ary 4 tapitrisa Ar kosa izany raha miisa 15 ireo mpanolotsaina.
Mitentina 3 500 000 tapitrisa Ar raha miisa 13 ireo mpanolotsaina ary 3 tapitrisa Ar izany ho an’ireo kaominina manana mpanolotsaina miisa 11. Noferana ho 2 400 000 Ar ny anto-bola raha miisa sivy ireo mpanolotsaina. Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa, 1 700 000 Ar ny anto-bolan’ny kandidà raha fito ireo mpanolotsaina ary 1 200 000 Ar izany ho an’ireo kaominina manana mpanolotsaina miisa dimy.
Synèse R.