“Ny anjaran’ny mpanohitra dia mampahatsiahy ny fitondrana ny zavatra tsy mety. Milaza ny hevitra tsy voatery hifanaraka amin’ny hevitry ny mpitondra fanjakana izany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Maminiaina Solondraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Izay hatrany no nataon-dry zareo nandritra ny taona maro. Miteny hoe hatreto ny arofanina, ireto tsy mety, ity hadino, taraiky ny atsy amin’ny faritra atsy… Raisin-dry fitondrana ho fanafihana azy izany. “Asanay izany, fa tsy mieritreritra hoe manao fanafihana izahay”, hoy izy. Manatanteraka ny asany ry zareo amin’izany.
Ny zava-misy amin’izao fotoana, efa tena tafahoatra loatra ny fahalatsahan’ny firenena any anaty lavaka sy an-katerena. Izay no mahatonga ny fitondram-panjakana mahatsiaro tena ho voatafika. Ny dikan’izay, efa manomboka mitovy hevitra amin-dry zareo izany ny fitondram-panjakana: misy zavatra tsy mety. Ny andrasan-dry zareo dia ny hanorenana sy hanamboarana ny fomba fantanterahana an’izany.
“Ho anay anefa, amin’ny lafiny iray: efa tena betsaka izay natao izay”, hoy ihany izy. Eo ny filazana ny zava-misy, ny fanairana ny mpitondra amin’izany. Mahita ry zareo fa rehefa tsy miova toy izay, tsy miova intsony. Tsy ny vondrona Firaisankina ihany no miteny izao. Eo ny fiarahamonina sivily maro, ny antoko politika hafa, ny vondron’olona isan-karazany… Mifanojo lasa feo iray no tenenin’izy ireo. Samy milaza hoe tsy mety intsony io… Inoany fa ho avy ny fotoana ho feo iray no ho henon’ny rehetra.
R. Nd.