Tsy ho rebireben’ny mpandrabiraby

Efa niparitaka any anaty fitaovan-tserasera samihafa, any anatin’ny departemanta isan-karazany any fa ho tara ny karaman’ny mpiasam-panjakana amin’ity volana ity. Efa misy ny antso avo ataon’ny lehibe isan-tsokajiny amin’ny mba hisian’ny fitoniana sy fanajana hatrany ny lamina. Tsy voafaritra mazava hatreto ny antony fa ny hany azo ambara, eo am-pitadiavana vahaolana ny manampahefana voakasika izany. Mitady ny fomba rehetra mba hisorohana izay fahasahiranana fanampiny any anivon’ny tokantrano tsirairay any izy ireo.
Etsy ankilan’izany anefa, efa mitsipaka ny fivoizan’ny sasany fa manam-pikasana ny hanonta ravim-bola ny fitondrana ny tomponandraikitra sasany. Tsy misy moa mazava ho azy ny fanambarana ofisialy mikasika ny olana ara-bola sy ity famokarana vola tsy « manara-penitra » ity. Eny amin’ny tambajotran-tserasera, filalaovan’ny besinimaro politika no ahitana manampahefana amin’ny Fiadidiana ny Repoblika milaza fa tsaho. Enga anie ho lainga aparitaka tokoa, satria hiteraka olana goavana amin’ny fifandanjana amin’ny toekarena izany. Hitarika tsy fahafehezana sy fidanganan’ny vidim-piainana. Ho maivana lavitra noho ny « volon’akoho » ny sandan’ny ARIARY. Inona moa fa tsy hiha-mahantra lavitra eto isika mianakavy.
Izay indrindra no ilana ny fahatonian’ny olon-drehetra. Tsy tokony ho mora rebireben’ny mpandrabiraby. Vanim-potoana saropady, mamparefo ny sehatra rehetra ny olana politika lalovan’ny firenena, ankehitriny. Mila miray saina ny sarababem-bahoaka, satria tsy ny mpiasam-panjakana samy irery no misedra olona. Samy mizaka ny mafy ny malagasy tsy vaky volo. Ny firaisan-tsaina sy ny fifanomezan-tanana no zava-dehibe. Fifanampiana baikoan’ny tombotsoa iraisana sy ho an’ny besinimaro anefa, fa tsy fitiavan-tseza sy fahamaizana handrobaka fahefana.
Antso avo hatrany, no atao amin’ny maha mpiray tanindrazana satria na iza na iza tsy misy mahavita tena. Tsy tokony hifanenji-dresy fa hifampisintona raha misy lavo. Izao no fotoana tokony ahitana ny soatoavina malagasy mandala ny fifanajana sy fihavanana izany.

r.r

Partager sur: