“Manjary simba endrika ny firaisamonina sivily amin’ny fanaovan’ny sasany tsy manao ny asany amin’ny maha firaisamonina sivily azy”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson. Toy ny hoe manampy tosika na mamendrofendro ny vahoaka aza ry zareo amin’izany. Mampitovy fiteny amin’ny mpanao politika: anjaran’ny firaisamonina sivily ve, ohatra, ny mitanisa hatrany ny fahantrana, tsy fandriampahalemana, fahamaizan’ny ala, sondro-bidim-piainana… ? Miteny amin’ny fitondram-panjakana izay manahirana ny vahoaka ny anjarany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mamaha olana. Tsy hanao fitsarana politika amin’ny fitondram-panjakana ny firaisamonina sivily. Tokony ho fantany koa fa misy ampahany be dia be avy amin’ny vahoaka ihany mampisy ny tsy fandriampahalemana, fahantrana, fahamaizan’ny ala, sondro-bidim-piainana… Manabe ny vahoaka tsy handoro ala izany izy, tsy hanararaotra hampiakatra vidin’entana, tsy hanao asan-dahalo, tsy hanao kolikoly, hanaja lalàna… Izany no andraikiny : manabe ny olom-pirenena rehetra ho vanona, ary miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana hijery izay mahasoa ny vahoaka sy mampandroso ny firenena. “Tsy antoko mpanohitra izahay fa tsindrilentam-pahefana”, hoy izy.