Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy roa lavon’ ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, afokomaly. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nisesisesy teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nataon’ny polisy hazalambo izy ireo ary voasambotra tao amin’ny trano iray tetsy Ankazotoho. Ahina ho anisan’ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Andohan’Analakely izy ireo. Nidina ifotony teny an-toerana avy hatrany ny polisy tamin’ny talata 18 febroary 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora alina. Vantany vao nahatazana ny polisy anefa ireto olon-dratsy dia nitifitra avy hatrany. Raikitra ny fifampitifirana ka lavon’ny balan’ny polisy ny roa tamin’izy ireo. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa, ary hatao fanadihadiana eny amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny heloka bevava, Anosy. Izay niaraka tamin’ny basy nampiasain’izy ireo. Efa natolotra eny amin’ny tranom-paty kosa ny razana.

Mino

Partager sur: