Tamboho nirodana: Olona 2 maty, lehilahy iray hafa naratra

Tamboho iray nirodana, vokatry ny orambe tsy niato, tetsy Ambaranjana, fokontany cité Planton Ampahibe, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nianjera tamin’ny trano iray ambany rihana, izay nahitana efitra telo, teo ambaniny izany, ka nahafaty renim-pianakaviana iray, 64 taona sy tovovavy iray 19 taona iray hafa. Natory tao amin’ny efitra iray hafa izy ireo. Napitiky ny riaka ary niafina tao amin’ny tafo iray tsy voatsindry kosa ilay raim-pianakaviana tao amin’ny efitra iray hafa, ka tsy nahafaty azy. Efa nentina eny anivon’ny hopitaly CHUJRA Ampefiloha izy io, noho ny ratra nahazo azy.
Tao anaty torimaso lalina avokoa izy rehetra niharam-boina ireto tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Feo nidoboka sy feon-javatra nianjera mafy no nanaitra ny manodidina sy ny tompon-trano, raha ny fanadihadiana natao teny an-toerana. Trano efa tototry ny tany sy vato no hitan’ny tompon-trano, rehefa nivoaka nijery ny zava-misy izy ireo. Niantso ny vondron’ny mpamonjy voina avy hatrany izy ireo. Naharitra ora iray mahery ny fikarohana sy fisokirana ireo olona niharam-boina. Vehivavy iray tsy miaina intsony no hita voatsindry biriky. Nitohy ny fikarohana, hita faty voatsindry tany sy biriky koa ilay tovovavy iray hafa.
Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa nesorina sy narodan’ny sampana mpamonjy voina kosa ireo trano sy tamboho nirodana.

Mino

Partager sur: