Tao anaty trano hazo: Olona telo mianaka, maty nirodanan’ny tamboho

Tamboho nirodana, olona telo mianaka maty nirodanan’ny tamboho tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy alina teo. Zazalahikely 8 taona avotra soamantsara.

Nitrangana firodanana tamboho, nahafatesana olona telo mianaka sy naharatrana olona iray hafa, tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy, tamin’ny 11 ora alina. Nifatratra tao amin’ny trano hazo iray teo ambaniny, ny tamboho, mirefy 10 m ny hahavony. Toerana nanakaiky ny fiangonana FJKM Ilanivato Misionera. Nihotsaka vokatry ny firotsahan’ny orana tsy ankiato, nandritra ny herinandro izy io. Olona telo mianaka, tao anaty torimaso lalina, no tototry ny tany sy ny vato avy amin’io tamboho nianjera io, ka namoy ny ainy. Renim-pianakaviana, 38 taona, sy ny zanany mianadahy: vavikely enin-taona sy zazalahikely 8 volana. Raha toa ka avotra soamantsara kosa ny zazalahikely iray hafa, 8 taona.
Nampandre ny polisy Ilanivato ny mponina vantany vao naheno ny tranga. Tonga teny an-toerana nanampy sy nikaroka ireo niharam-boina izy ireo, niaraka tamin’ny fokonolona. Tonga teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Nifarimbona tamin’ny fikarohana ireo olona tototry ny tany. Naharitra adiny iray latsaka teo ny fisokirana sy fikarohana ireo olona voatsindrin’ny tany. Hita maty tototry ny tany sy biriky izy telo mianaka namoy ny ainy ireo. Mbola nahavita niantso vonjy kosa ilay renim-piankaviana, raha ny fitantaran’ny havan’ny niharam-boina. Hita velona soamantsara kosa ny zazalahikely iray 8 taona, nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly avy hatrany izy. Marihina fa tsy tao an-trano ny raim-pianakaviana tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io.

Entanina mba ho mailo ny rehetra
Anisan’ny ahitana tamboho, trano, tany mirodana foana amin’izao fotoana izao. Manentana ny rehetra hatrany ny eo anivon’ny polisim-pirenena mba ho mailo sy hitandrina hatrany, mba hisorohana ny loza tahaka izao. Aleo mifindra trano mihitsy raha hita fa tsy azo antoka ny trano fonenana sy ny manodidina. Mangataka ny hanamboarana ireo toerana mitera-doza eny an-toerana moa ny mponina. Nambaran’izy ireo fa manodidina ny 10 tafo ireo trano eny an-toerana, no tandindomin-doza manoloana izao tranga izao. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty kosa ireo razana.

Mino

Partager sur: